Actualités

Tsy aritra Be sandry, tsy misy hetra !


  • Talata 06 Martsa 2012

Tsy dia metimety loatra amin’ny miaramila ilay hoe tataovan-ketra tahaka ny an’ny mpiasa ara-dalàna rehetra, ny (tambina)karaman’izy ireo.

 Nanomboka tamin’ny 2005 moa no nanapahan’ny fanjakana hevitra ny hanaovana izany, taorian’ny torohevitry ny Banky iraisam-pirenena. Izany no natao dia mba hampitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Tonga ny zava-nitranga tamin’ny 2009 ireny, efa niaraha-nahita fa notohanan’ny ampahany tamin’ny foloalindahy i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony. Dia nampanantena ny lehilahy fa hofoanana io tataon-ketra alaina amin’ny karaman’ny foloalindahy io, ary dia averina manontolo amin’izy ireo ihany koa ny fitantanana ny volany fa tsy hosahanin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola intsony. Tsy nety tanteraka haingana anefa io fanapahan-kevitra io koa dia niraondraona ny feom-baoty tany anaty lakazerina tany. Nanomboka nampiseho ny fahasosorany ny tao amin’ny CAPSAT, loharanon’ny nahazoan-dRajoelina ny fahefany. Nikorapaka ny tany amin’ny Etamazaoro.

Nisy, omaly tolakandro, ny fihaonana manokana nifanaovan’ireo lehiben’ny fibaikona toby miaramila samihafa eto an-drenivohitra, niaraka tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, ny jeneraly Ndriarijaona André sy ny minisitry ny foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien niaraka tamin’ny praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, Hajo Andrianainarivelo, misolo toerana vonjimaika ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Rajaonarimampiaina Hery nandinihana akaiky ity raharaha ity, rehefa nampiaka-peo ireo manamboninahitra lefitra.

Fa inona ary no antony tsy nahatanteraka io toky nomen’ny filohan’ny tetezamita ny be baoty io ? Noho ny antony ara-teknika madiodio ve sa tena kabary ambony vavahady fotsiny no natao ? Raha ny marina mantsy, tsy mbola nandinika an’io ny fanjakana. Ahoana ihany koa no hamenoana ny banga raha tena tsy ahena ny hetran’ny foloalindahy ? Ny maha sanganehana ny olona dia ny hoe : fa nahoana kosa moa, amin’izao krizy sy tsy fisian’ny vola izao no mbola mangataka ny tsy handoa hetra ihany ny foloalindahy ? Dia ahoana izany ilay hoe ho an’ny Tanindrazana ? Sa dia efa izay ho an’ny paosy ihany izao no mahamaika sy mahadodona. Tsy rariny, hoy ireo mpiasa madinika, raha ny be sandry (baoty) indray no handoa hetra kely, kanefa tsy dia tena hita mivaingana isan’andro ny asa mafy ataon’izy ireo.

RTT

Sary : Miaramilan’ny CAPSAT nanao be fiavy teny Anosy tamin’ny aprily 2009

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT