Voasolo ny tetezana fandehanana an-tongotra mirefy 15 m ao Tsarafara Sabotsy Namehana izay nampijaly ny mponina avy amin’ny Fokontany 22 mampiasa azy io efa an-taonany maro izao.
Mitentina 2,8 tapitrisa Ariary avy amin’ny filohan’ny fikambanana Vahoaka Ihany, Atoa Ravelonanosy Bruno Bati mivady no nenti-nanana ny fanavaozana. Noho ny fangatahan’ny mponina tety an-toerana ary ho fanohizana ny asa-sosialy efa fanaon’ny fikambanana no antony nanaovanay ity asa ity, hoy ity mpandraharaha ity izay kandidà tsy miankina eny Avaradrano amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka ho avy. Ho fanaporofoana koa fa tsy hatao resaka fotsiny ny vava atao fa tanterahana amin’ny asa mivaingana no antony faharoa ary ny orana rahateo moa efa ho avy ka dia rariny loatra raha mba miadan-tsaina ny mponina mandalo amin’ity toerana ity, hoy izy. Maro ny hetahetan’ny vahoakan’Avaradrano azo ho fanatsarana ny fiaimpiainany, hoy izy, ka fotoanany izao hanatanterahana azy ireny izay hanao tohivakana ato ho ato fa ny fikambanana “Vahoaka Ihany” dia miainga amin’ny vahoaka ary miara-miasa amin’ny vahoaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.