Actualités

Trotinette misy môtera Efa vitan’ny mpianatra Malagasy


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Raha voasokajy ho kilalaon’ny ankizy hatrany ny trotinette hatramin’izay dia efa azon’ny olon-dehibe ampiasaina tsara ankehitriny, misy môtera ary mahalasa lavitra, vita eto amintsika.

 

 Anisan’ny voka-pikarohana haranty eny Antsobolo io  nanomboka omaly  talata 5 jolay vokatry ny fikarohana nataon’ny mpianatry ny sekoly ambony ISPM ( Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar)  taona voalohany ao amin’ny lalam-piofanana EMI ( Electromécanique Informatique et Industrie).  Tao anatin’ny telo herinandro monja no nanomanan’ny mpianatra izany, haseho ny rehetra mandritra ny varavarana misokatra karakarain’ny sekoly izay  manana tanjona  hanatanteraka ny rafi-pampianarana LMD,  tsy mijanona fotsiny amin’ny fahalalana azo avy any am-pianarana fa miezaka mikaroka sy manita-tsaina ihany koa. Ankoatra io trotinette io dia anisan’ny voka-pikarohana hitan’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity ihany koa ny fiarovana amin’ny aretina allergie, ny filalaovana basket izay tsy voatery hiakarana eny amin’ny kianja intsony fa azo lalaovina amin’ny alalan’ny solosaina. Ireo mpianatra ao amin’ny taona fahatelo  no nanatanteraka ity farany. Ny mba hanampiana ireo tanora tsy hanaotao foana fa hankafy ireo karazana jeux izay marihina fa efa tena mahazo vahana eny anivon’ny fiarahamonina tokoa no tanjona hisorohana azy ireny tsy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo aloha loatra na koa ny fidorohana zava-mahadomelina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT