Actualités

Tranombarotra Shoprite Mandrahona hitokona ireo mpiasa


  • Zoma 30 Desambra 2011

Tao anatin’ny 72ora izay no efa nanome fampitandremana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Shoprite ireo mpiasa.

 Anisan’ny voalazan’izy ireo tamin’izany ny fanaovana tsinontsinona ny mpiasa amin’ny karama ambany dia ambany sy ny fanomezana kely zara raha misy omena ny mpiasa tsirairay amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Ny tena mampalahelo ireo mpiasa dia tsy mitovy amin’ny zava-misy any amin’ireo tranombarotra Shoprite manerana an’i Afrika ny zava-misy eto Madagasikara. Ny any Afrika, hoy ireo mpiasa dia “sady betsaka ny fanomezana faran’ny taona no misy ihany koa ny karama faha-13 ao anatin’ny taona”. Mahalala tsara izao zava-misy any Afrika io ny mpiasa eto Madagasikara satria maro amin’izy ireo no efa nandeha nifampizara traikefa tamin’ireo namany tany. Tsy vitan’izay fa mifandray isaky ny segondra amin’ireo namany miasa any amin’ny tranombarotra manerana an’i Afrika ihany koa ny mpiasa Malagasy amin’ny alalan’ny teknolojia ampiasain’ny orinasa.

Mifankalala tsara, araka izany, ny mpiasa rehetra amin’ny Shoprite. Nisy noho izany ny taratasy fampilazana ireo zavatra tsy zakan’ny mpiasa Malagasy ireo nalefan’izy ireo ho an’ny tomponandraikitra tamin’ny alatsinainy 26 desambra hariva. Taorian’izay dia niantso ireo solontenan’ny mpiasa ny tale jeneralin’ny Shoprite sy ny tomponandraikitry ny mpiasa in-droa miantoana izay. “Efa nampanantena taminay izy fa handray andraikitra haingana dia haingana ka ho hita eo izany. Eo am-panaovana ny taratasy mirakitra io marimaritra iraisana io izahay izao. Raha misy ny fivadihan-javatra dia avy hatrany tsy misy intsony ny fampiomanana amin’ny fitokonan’ny mpiasa fa mihatra avy hatrany ny fampitandremana 72 ora efa vitanay”, hoy ny solontenan’ireo mpiasa omaly hariva.

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT