Actualités

Trano Mora Fianakaviana 200 tafo hotrongisina ao Andranonahoatra Antsirabe


  • Alakamisy 15 Desambra 2011

Mihorohoro ny mponina ao Andranonahoatra Antsirabe I teo anatrehan’ny ramatahora natao azy ireo fa hotrongisina amin’ny tany onenany efa am-polony taona maro raha tsy miala mialoha ny febroary 2012.

 Vao mainka nitombo ny tahotr’izy ireo rehefa nahita mpitandro ny filaminana tonga nandrefirefy tany tao an-toerana ny talata teo. Tany manamorona ny lalam-pirenena faha-7 amin’ny ilany atsimo hivoahana ny tanànan’Antsirabe no voaresaka eto. Manana velarana 23ha sy 40 sa. Raha ny resaka mandeha dia hanorenana Trano Mora amin’io toerana io ka dia hesorina ao izay olona efa nanorim-ponenana rehetra. Tombanana ho 200 tafo any izy ireo, ankoatra ny CSB II sy biraom-pokontany. Tany fampiasan’ny Alemana nanaovana fanofanana izy ity, ary efa naverina tamin’ny fanjakana araka ny Titra 1045 sy ny “certificat de situation juridique” tamin’ny 1998. Nisy ny taratasy narahina sonia an-jatony, nataon’ny Fokonolona monina amin’io toerana io, nalefan’ireo any amin’ny ambaratongam-pahefana hatrany amin’ny ministera any, anehoan’izy ireo ny alahelony amin’ny tsy fanajana ny zon’izy ireo hizaka ny tany. Mbola betsaka ny toerana malalaka sy midadasika azo anatanterahana izany tetikasa trano mora izany, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, nefa nahoana no ireo efa manan-trano honenana indray no tadiavina hesorina amin-kery toy izao. Harahina akaiky ny toe-draharaha !
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT