Taorian’ilay tetikasa fanomezana tany amin’ny vidiny mirary ho an’ny Malagasy rehetra dia hiroso amin’ny fanamorana ny fahazoan’ny
Malagasy tany sy trano efa vita indray ny fikambanana HAFARI Malagasy manomboka izao. Trano miisa 100 no haorina ao anatin’ny telo volana, ahitana efitrano iray lehibe, miampy lakozia vita carreaux amin’ny vidiny 7 tapitrisa Ar. Tanjon’ny fikambanana, raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny Rafanomezantsoa Jean Nirina, ny hanomezana trano ho an’ny tanora sady hahafahana miady amin’ny fivangongoana an-tanàn-dehibe ihany koa. Hiitatra amina toerana maro mantsy ny tetikasa. Ho an’i Soaniedanana manokana PK 67 any amin’ny lalam-pirenena fahefatra dia fantatra fa olona mihoatra ny 200 isa no nomena tany tany an-toerana ny sabotsy 25 jona lasa teo. Mizotra araka ny tokony ho izy ny tetikasa ary tsy misy ny olana. Mandroso koa ireo asa tanterahina ao an-tanàna, anisan’ireny ny toerana fikapoham-bato. Tsiahivina moa fa nisy ny fizarany fanomezana toy ny vary sy hena ho an’ireo mpiasan’ny HAFARI Malagasy ny sabotsy teo, narahin’ny fanolorana omby mifahy ho an’ireo mpikatroka amin’ny taranja Rugby à XV.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.