Trafikana taova

> Lehilahy hita faty, niala ny masony roa, tapaka ny tanany, tsy teo ny filahiany


  • Alakamisy 26 Desambra 2013

Lehilahy 32 taona monina ao Tsimenatse-I Ouest no hita faty tany Ankahiasy,7 km miala ny tanànan’i Toliara, ny atoandron’ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora.

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity lehilahy ity. Tsy teo intsony ny masony roa fa nisy naka. Nahitana lavaka roa teo amin’ny lohany ambony fihirifany. Tsy teo intsony ny maha lehilahy azy. Nodidiana ny tanany roa. Raha izao no zohina hoy ny rahalahiny, Atoa Gérard Florent, nitafa tamin’ny mpanao gazety, dia ny taovan’ny rahalahiko mihitsy no nalainan’ireo mpanao trafikana taovan’olombelona.

Tsy vao izao no nisy tranga toy izao tao Toliara. Iray volana lasa izany dia nisy ihany koa lehilahy iray tsy hita ary tsy fantatra na maty na velona amin’izao. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny havany maty mba tsy ho vitavita ho azy izao vono olona mahatsiravina izao. Marihina fa mpanao trano no asan’ity lehilahy hita faty ity ary ny alatsinainy 16 desambra izy no nanomboka tsy hita rehefa nandeha namonjy fampielezan-kevitra. Voalazan’ny havan’ny maty fa tao anatin’ny roa andro dia toa tratry ny fandaikiraikena ity ranamana ity ary toa tsy tompony tenany intsony. Omaly andro krismasy no nalevina ny razana izay efa simba tanteraka.

 

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT