Natao ny sabotsy sy ny alahady teo, ny «Tournoi Ravalomanana» nokarakarain´ireo Tanoran´i Marc Ravalomanana (TMR) Toamasina.
Nosafidiana manokana ny taranja lalao tsipy kanetibe ho an´olon-droa miaraka tamin´izao andiany voalohany izao, izay nahitana fandraisan´anjaran´ny ekipa 27 avy amin´ny Fokontany maro tao Toamasina. «Sarotra ny fanomanana, tsara anefa ny vokatra noho ny hamaroana sy ny fahamatoran´ny mpandray anjara rehetra», hoy ny TMR Toamasina. Nilaza ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra rejionalin´ny ankolafy Ravalomanana, fa «matotra ny tanora mpiara-dia amin’ny filoha Ravalomanana, hita nandritra ny fifaninanana ihany koa fa maro ny olona no mbola manohana an´i Dada sy miandrandra ny fahatongavany haingana eto an-tanindrazana». Notolorana loka avokoa ireo mpilalao rehetra, niavaka kosa ny an´ireo efatra voalohany, izay azon´i Ninah sy Faly ny amboara lehibe niaraka tamina ondry ary loka manokana. I Tojo sy Doda kosa no nahazo ny faharoa, Romuald sy Lala nahazo ny laharana fahatelo. Anisan’ny nanampy ny TMR Toamasina tamin´izao hetsika nataony izao ny tambajotra AirTel Toamasina. «Tournoi litchis» no hetsika manaraka karakarain’ireto Tanoran´i Marc Ravalomanana Toamasina ireto amin’ny volana desambra ho avy izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.