Tonton Serany

> “Efa nahafantatra mialoha ny fisian’ny hala-bato izahay”


  • Alarobia 08 Janoary 2014

Mijoro eto amin’ity kianjan’i Magro ity izahay mitondra ny hafatra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert, hoy i Tonton Serany avy any Ambilobe anisan’ny nandray anjara tamin’ny fitenenana teny an-toerana afak’omaly.

Tsy mankasitraka ny hala-bato niseholany nanerana an’i Madagasikara izahay, hoy izy, indrindra ny tanyAmbilobe izay nisiana trangan-javatra hafahafa tokoa tahaka ny fitondrana vehivavy kara-pifidianana lehilahy sy ny mifanohitra amin’izay ary indrindra ny fahafantaranay mialoha fa misy mpifidy mitondra biletà tokana efa voaisy marika mialoha ka nampitandremanay an-tsoratra mihitsy an’ireo delegem-pifidianana mpanara-maso ny latsa-bato tamin’ny andron’ny fifidianana ny 20 desambra mba ho mailo ka hisava ny paosin’ireo mpandatsa-bato mety hahitana izany vato hosoka izany. Antitranterinay, hoy i Tonton Serany fa tsy miova amin’ny fototra amin’ny tokony hanatanterahana ny fampihavanam-pirenena teny izy miaraka amin’ny Pr Zafy Albert ny ankolafy tarihany ary mbola vonona hifanome tanana amin’ny mpitolon’ny Magro mandra-piverin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT