Voatohintohina tanteraka tao ho ao ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety Malagasy.
Raha tsy hita veroka akory ny famohana ireo haino aman-jery nakaton’ity fitondrana ity toy ny Radio Mada sy ny Radio Fahazavana sy ireo marobe taty aoriana dia nanao sesilany ny fampiantsoana mpanao gazety teny amin’ny tomponandraiki-panjakana isan-tokony sy fanomezana an’ilay antsoina hoe : “lettre de mise en demeure” ankoatra ny fandrahonana an-telefaonina fotsiny tsotra izao sy fanerena mivantana an-kerisetra ny fanomezana ireo loharanom-baovao nanoratana ny lahatsoratra na namoahana azy tamin’ny haino aman-jery. Nifamotoana noho izany tamin’ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Sekoly Ste Famille Mahamasina, ny mpanao gazety maro naneho hevitra tamin’ny fitadiavam-bahaolana hiadiana amin’ny fanelingelenana amin’ny asa atao. Betsaka ny soso-kevitra nandeha fa ny tapaka farany mba ho fiarovana ny mpanao gazety sy ny asany dia natsangana ny sendikan’ny mpanao gazety Malagasy. Tamin’ny alalan’ny tolotra nataon’ny tsirairay no nilatsahan’ny kandidà isanisany hofidiana ary tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana ny fandaniana. Marihina fa nasiana solontena isaky ny karazana fampahalalam-baovao toy ny gazety an-tsoratra, radio, faritra, “on line” ary televiziona ao anatin’ity sendika ity. Toy izao ny firafiny amin’ny ankapobeny :
Filoha : - Rocco Rasoanaivo (La Gazette de la Grande Ile)
Filoha lefitra 1 : - Gérard Rakotonirina (Madagascar Tribune sy Basy Vava)
Filoha lefitra faha-2 : - Tahiry Ralambomahay (La Gazette de la Grande Ile)
Sekretera jeneraly : - Lalatiana Rakotondrazafy (Free FM)
Mpitam-bola : - Mbinintsoa Ranaivoson (Fréquence Plus)
Mpanamarim-bola : - Alphe Léon Martiasy (TV Record)
Mpanolotsaina :
- Joël Ralaivaohita (Agence MATERA OI)
- Raphanoel Harinivo Andriambolanoro (Radio Fanambarana)
- Georges Randriamahasoa dit Jesy Rabelaolao (Free Lance)
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.