Actualités

Toliara Nisy saika hanapoizina ilay polisy migadra ?


  • Talata 13 Desambra 2011

Mbola nitohy ihany ny fitokonan'ny mpitsara izay nanomboka tamin'ny sabotsy lasa teo.

 Nisy ny fihaonan'ny mpikamban'ny sendikan'ny mpitsara sasantsasany, notarihin’ny filohany Auguste Marius Arnaud, tamin'ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina, saingy tsy nisy zavatra tapaka loatra momba an'io. Ambohitsorohitra dia mandrisika ireo mpitsara mba hamarana amin'izay ny grevy. Neken'ny mpitsara izany raha toa ka misy ny fandraisana fepetra, dia ny fitakiana ireo teboka telo izay napetrak'izy ireo. Ao aloha ny fitondrana avy hatrany ireo nahavanon-doza, miaraka amin'ilay polisy niandohan'ny olana aty an-drenivohitra ka hofonjaina avy hatrany ao Tsiafahy.

Eo ihany koa ny fitakiana ny fanoloana ny minisitry ny filaminana anatiny izay nolazain' izy ireo fa tsy nahomby sy nitazam-potsiny nefa dia tany Toliara nandritry ny gidragidra. Farany dia fanasaziana ireo lehiben'ny polisy ao Toliara. Io teboka farany io dia heverina fa efa voavaly amin'ny ampahany ihany satria efa nafindra toerana sy nafindra asa izy ireo. Na izany aza anefa dia tsy nisy ny sazy. Ny polisy indray, etsy andanin'izay dia manamafy fa tsy tokony hokitikitihina ny minisitr'izy ireo dia ny minisitry ny filaminana anatiny izany. Tsy izy no tompon'andraikitra tamin'ny zava-niseho raha ny fanazavan'ny lehiben'ireo sasantsasany izay tsy nanonona anarana aloha hatreto. Efa mivorivory ihany koa ireo manoloana ny zava-misy. Inoana fa hisy ny fanehoan-kevitra ataon'ny minisitra tompon'andraikitra sy ny olony anio.

Ny tsy faneken'ny fianakavian'ny maty handray ny polisy tany an-toerana mantsy tamin'ny famangiana, ny hatezeran'ny mpitsara amin'ny polisy, dia zava-dehibe loatra amin'ny fiainan'io vondron'ny polisy io ka rariny loatra raha mivoaka amin'ny fahanginana amin'izay ny tompon'andraikitra. Ankoatra izay, fantatra fa nisy nikasa ny hanapoizina ilay polisy notazomina tao amin'ny fonja omaly. Tamin'ny alalan'ny sakafo saika homena azy no nisy nanao ratsy. Tsy tanteraka anefa izany fa mailo ny mpiandry fonja. Ny tanjona dia ny hanakorontana bebe kokoa ny fandaminana efa misy na koa hampiadiana bebe kokoa ny mpitsara sy ny polisy. Ny fanontaniana iray mipetraka ihany koa dia ny hoe lasa aiza ireo fito lahy nahavanon-doza namono ny mpitsara Rehavana Michel ? Mandeha mantsy ny feo fa efa nisy nitsoaka an'i Toliara izy ireo. Toliara anefa dia efa mandeha andro aman'alina ny fisavana ny taksibrosy izay miala any ka ho aty an-drenivohitra. Be ny feo aely momba ity raharaha ity mba hanasarotana ny fandravonana azy.
S.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT