Naharitra ora dimy ny fivorian'ny tomponandraikitra tany Toliara omaly tao amin'ny biraon'ny Faritra Atsimo Andrefana ao Mitsinjo Betanimena.
Ny minisitry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine, ny minisitry ny Atitany, Rakotoarisoa Florent ary ny minisitry ny Filaminana anatiny Rakotondrazaka Arsène no nitarika ny fivoriana. Tsy vitsy ireo tomponandraikitra tany an-toerana nanatrika izany. Tapaka nandritra ity fivoriana ity fa miaiky ny hadisoany ny polisy manoloana ireo zava-nitranga ka nahafatesana ilay mpitsara tany an-toerana ny zoma 09 desambra teo. Tapaka ihany koa fa hoesorina amin'ny toerany ny tale irasaim-paritry ny polisy ao Toliara sy ny kaomisera lehiben’ny Commissariat Central. Mbola nifanarahana ihany koa fa hosamborina ireo polisy namono ilay mpitsara ka ny zandary sy polisy avy aty an-drenivohitra no hanatanteraka izany.
Efa nisy ireo mpitandro ny filaminana avy aty an-drenivohitra ireo no tonga any an-toerana. Araka ny tsiliantsofina dia hisy ireo avy amin'ny GSIS eny Ivato handray anjara amin'ny fisamborana ireo polisy nioko tany Toliara ireto. Misy ihany koa anefa ny loharanom-baovao izay milaza fa tsy hiroso amin'izany ny mpitandro ny filaminana fa hatolotra mora foana ny mpanao famotorana ireo polisy izay voarohirohy rehetra.
Nohamafisin’ny “autopsie” fa dia ny daroka sy vono natao azy no nitarika ny fahafatesan’ilay mpampanoa lalàna mpisolo toerana voalohany, Rehavana Michel. Omaly alahady tolakandro no niala tao Toliara ny nofo mangatsiakany, nentina any Ranotsara Ihosy tanindrazany. Efa niala ihany koa ny barazy tamin’ny lalana mandeha any amin’ny fonja.
Milamin-dratsy ao Toliara. Misy mantsy taratasy miendrika trakata, miely milaza fa mitohy ny fitokonan’ny Polisy sy ny fitakiany ny hamoahana tsy misy hatak’andro ny namany ao am-ponja. Mametra-panontaniana koa ny mpanoratra ny taratasy ny tsy nisamborana ka hanaovana fanadihadiana ny olona ambara fa nivarotra ny basin’ilay polisy, izay voalaza fa very, nefa mahavoatana azy ho mpiray tendro amin’ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ka nisamborana azy ary nandefasana azy avy hatrany ao am-ponja. Manohitra ny fitakiana hanesorana ny minisitry ny filaminana anatiny sy ireo lehibeny ao Toliara koa ireo polisy, raha ny voarakitr’ilay taratasy ihany, izay mihevitra fa ny minisitry ny fitsarana sy ireo mpitsara ao Toliara no tompon’andraikitra amin’izao raharaha izao satria tsy nandray ny andraikiny, koa takian’izy ireo koa ny hanesorana azy amin’ny toerany. Toherin’izy ireo, araka izany, koa ny fanambarana miendrika fanaratsiana nataon’ny Sendikan’ny mpitsara, araka ilay taratasy hatrany.
Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.