Toliara

> Jiolahy 14 voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany


  • Alatsinainy 09 Desambra 2013

Nahitam-bokany indray ny ezaka sy ny hetsiky ny polisy Toliara amin’ny famongorana ireo olon-dratsy vokatry ny fiaraha-miasa matotra tamin’ny Fokonolona.

Ny alarobia lasa teo dia jiolahy miisa 14 ao anaty tambajotra matanjaka roa no voasambotra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany toy ny basy vita gasy sy ny maro hafa. Malaza ratsy amin’ny famakiana trano sy ny fandrobana fananan’olona ireto jiolahy ireto ary tokantrano sy olona maro no efa nitondra faisana. Tsy vitan’ny mangalatra sy mandroba ary manendaka fotsiny izy ireo, fa mahavita mandatsaka ain’olona mihitsy rehefa tsy mahazo fahafaham-po mandritra ny fanafihana. Araka ny fantatra dia efa maro ny fanafihana nandraisan’izy ireo anjara ary tsy vitsy ihany koa ireo olona maro no maty noho ny habibiana nataon’izy ireo mandritra izany.

 

Valo lahy no indray tra-tehaka fa iray kosa lavon’ny balan’ny Polisy nandritra ny fifanenjehana. Mbola voasambotra tamin’io andro io ihany koa ny fito lahy hafa. Ireto farany izay malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery sy fanendahana, indrindra amin’ny andro hariva. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy tany amin’ireo toerana heverina ho mafampana no nahatrarana azy fito lahy ireto, araka ny loharanom-baovao voaray akaiky ny mpitandro ny filaminana.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT