Actualités

Tolagnaro Misy andian’olona manao bizina «bois de rose»


  • Talata 25 Oktobra 2011


 Mahazo vahana indray ny bizina andramena na «bois de rose» any Tolagnaro. Ny manaitra dia misy andian’olona midina any ambanivolo any mandresy lahatra ireo tantsaha efa nikapa ity hazo sarobidy ity hatramin ‘izay toy ny mpitranga any amin’iny tapany avaratry ny Distrikan’i Tolagnaro, toa an’i Manantenina, Manambato, Iaboakoho, Antsotso, Ifarantsa-Ivorona ... Iaraha-mahalala anefa fa voarara ny mividy na mamarotra azy io. Manampahefana ao an-toerana ihany no voalaza ao ambadik’ity resaka ity. Misy ihany anefa ny hetsika ataony amin’ny fiadidian’ny sampandraharaham-paritra miadidy ny tontolo iainana sy ny ala kanefa toa tsy ahitam-bokatra loatra izany hatramin’izao.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT