Actualités

Tohana ara-bola ho an’ny Jirama Tsy mahazo mihoatra ny 300 miliara Ar, hoy ny FMI


  • Alarobia 29 Jona 2016

Teboka iray nisian'ny adihevitra goavana teo amin'ny fitondrana Malagasy sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny tontolon'ny famatsiana herinatra eto Madagasikara.

 

Samy tao anatin'ny fahasahiranana rahateo ireo orinasam-panjakana roa Air Madagascar sy ny Jiro sy Rano Malagasy saingy azo lazaina nivoatra ny zava-misy eo anivon'ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka malagasy raha tsy nahitam-bokatra kosa hatramin'izao ny orinasa mpamatsy jiro sy rano eto Madagasikara, araka ny fanamarihan'ny solontena maharitry ny FMI eto amintsika Patrick Imam. Fepetra takian'ity mpamatsy vola mahazatra ity ny fampihenana ny tohana ara-bola avy amin'ny fanjakana izay mila hita soritra ao anatin'ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana. Tsy mahazo mihoatra ny 300 miliara ariary moa io bolongambola fanampiana (subvention) ho an’ny Jirama io, araka ny fangatahan'ny FMI. Mifanindran-dalana amin'io ihany koa ny fampiakarana ny saran'ny herinaratra. Tsy maintsy vita alohan'ny fandinihan'ny filankevi-pitantanan'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny 29 jolay io fepetra fanavaozana io. Eo am-piandrasana ny tena vahaolana maharitra dia mbola miaina ao anatin'ny fahatapahan-jiro aloha ny mpanjifan'ny Jirama. Ny tena mampalahelo dia ao anatin'ny fotoana tena ampiasain'ny olona ny herinaratra no misy hatrany ny fahatapahana lazaina fa tsy delestazy intsony.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT