Actualités

Toamasina Tsy nisy herinaratra omaly


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

“Tsy vokatry ny fahasimban´ny fitaovana akory no tsy mampisy herinaratra androany (ndlr: omaly alahady), fa vokatry ny fanatsarana sy fanadiovana ary fanoloana ireo fitaovana ela niasana sy antitra”.

 Izay no nambaran´ireo teknisianin´ny Jirama Toamasina raha nanazava ity fahatapahan´ny herinaratra tao Toamasina omaly nanomboka tamin´ny enina ora maraina hatramin´ny mitatao vovonana ity. Efa nisy rahateo ny fampahafantarana mialoha izany natao tamina haino aman-jery tao Toamasina. Efa ao anatin´ny vanim-potoan´ny rivodoza ihany koa isika izao ny fety koa ho avy, ka izay koa ny anton’ny fanatsarana ny vokatra omena ny mpanjifa.

Tsy misy atahorana ny delestazy raha ho an´i Toamasina hatreto, raha tsy hoe misy olana ny milina famokarana ao Tamatave IV sy ny any Volobe ary ny fanapariahana izany ao Tamatave III. Ny fahatapatapahana amin´ny herinaratra mitranga ao Toamasina araka ny fanazavan´ireo teknisianin’ny jirama azy hatrany, dia vokatry ny halatra tariby ataon´ny olona. Ankoatra izay, dia nanome toky ny Jirama Toamasina, fa hanao izay ho vitany izy ireo mba hamaly ny tinady ny tolotra omen’izy ireo amin’izao faran’ny taona izao.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT