Actualités

Toamasina Tsy mampiraika ny mponina ny vary mora


  • Talata 27 Septambra 2011

Tsy nahasarika ny mponina ny fivarotana ilay vary mora tao Toamasina nanomboka ny sabotsy teo, raha ny zava-nisy hita sy natrehina.

 Tsy lany ny vary 1.800kg namidy isam-pokontany tamin’ireo Fokontany 26 nanombohana ny famarotana izany tao Toamasina. Anisan’ny nampatahotra ny mpanjifa, na efa nanaovana fihetsika ho fanamarihana aza teo am-panombohana ny fitaovam-pamarana nampiasaina. Efa be mantsy no tratran’ny tsy fahampian-danja nandritra ny fanaovana ny Tsena Mora nifarana ny volana mey teo ho an’i Toamasina. Raha ny fanadihadiana natao dia ny 50%-n’ny vary mora namidy no hany lafo amin’ny ankapobeny tao Toamasina. Nisy kosa ireo Fokontany izay zara raha nahalafo ny 20%-n’ny vary namidiny. Tao kosa ireo nahavita nanodidina ny 80%-n’ny vary mora saingy Fokontany 03 tamin’ireo 26 ihany, hany ka nomena avokoa na tsy mponin’ny Fokontany sy tsy mitondra ny karinem-pokontany aza.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT