Voasoroka ihany ny fikasana hitokona ho an’ireo mpiasan’ny Kaominina Toamasina, noho ny fampidiran’ny PDS Toalina Razafindrabary azy ireo ho tale sy mpitantana vaovao eo anivon’ny Kaominina.
Anisan’ny fitakiana nataon’ireo mpiasa nitokona niady tamin’ny PDS teo aloha ny mba hahazo toerana tale. Tsy nanan-tsafidy ny PDS ka tsy maintsy nanaiky hisorohana izay mety hiverenan’ny fitokonan’ny mpiasa. Hiteraka olana goavana indray ho an’ny tanàna sy ny asan’ny Kaominina rahateo izany raha mitranga. Didim-pitondrana kaominaly laharana 013 ny 02 martsa teo izay nanendry an-dRakotoarivelo Solofo, anisan’ny mpitarika ny hetsiky ny mpiasa ny taona lasa, ho sekretera jeneraly raha ny talen’ny vola sy ny fitantanam-bola no niriany. Teo koa ny didim-pitondrana laharana 014 ny 02 martsa ihany, nanendrena ireo tale samy hafa. Mbola talen’ny tsena sy abatoara Atoa Firezy Narcisse, araka ny fangatahan’ny CST Roland Ratsiraka. Ny tale teknika no niova ka lasan’Atoa Totoson Narcisse izay mpitarika ny fitokonana koa.
Tale lefiny hisahana ny fahadiovana sy fanatsarana ny tanàna Atoa Rakoto Jean Henry mbola mpitolona ihany koa. Talen’ny fanajariana ny tanàna Atoa Bevohavy Joel sy talen’ny vola sy ny fitantanam-bola Atoa Raharitody Melece izay samy tsy niova noho ny fangatahan’ny filohan’ny mpanolotsaina. Ny talen’ny fialamboly sy ny fanatanjahantena ary ny fifandraisana iraisam-pirenena Atoa Zakatiana Jean Eric ihany koa dia tsy novaina, ny azy kosa noho ny asa vitany no nitsarana azy. Ny talen’ny fitaterana ambonivohitra izay vao natsangana, dia Atoa Rakotomalala Bertrand izay efa lehiben’ny servisy teo aloha ihany no voatendry ; ary ny tale ny fitantanana ny mpiasa kosa izay tena nisian’ny olana ny taona lasa dia novaina ho an’Atoa Bezara William Claris izay mpitolona ny taona lasa. Dia samy miandry ny asa ataon’ireto ekipa vaovaon’ny Kaominina ireto izany ny mponina, fa efa tena anaty loto sy miaina anaty ranom-potaka ary mivelona anaty fako ny vahoaka.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.