Actualités

Toamasina Niverina an-dalambe ny mpianatr’i Barikadimy


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Raha mbola variana amin’ny raharaha politika sy ady seza politika taorian’ny fahavitan’ny sonia ny tondrozotra ny governamanta Camille Vital, dia miha mangotraka tsy mety milamina ny raharaha oniversiten’i Toamasina.

 Niverina nidina an-dalambe mantsy omaly alarobia ireo mpianatra, izay tsy ny zanak’atsimo irery intsony fa efa miara-dalana amin’ny ray aman-drenin’izy ireo sy ny fikambanan’ny mpianatra hafa ihany koa, noho fahelan’ny famahana ny olana sy ny fahelan’ny famalian’ny fanjakana ny fangatahan’izy ireo hisian’ny filaminana ao Barikadimy. Tsy miova ny fangatahana sy ny fitakian’ireto mpianatra ireto dia ny famoahana ny didy ho fanalana fa tsy fampihatoana amin’ny asany ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina Horace Gatien. Niainga tao Barikadimy ny filaharam-be nataon’ireto mpianatra, omaly, nihazo an’i Mangarano sy Mangarivotra ary Ambolomadinika, izay nifarana tao Morarano.

Teny hatrany ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny Emmo-Reg nisahana ny mety ho fihoaram-pefy sy ireo mpanararaotra. Ankilan’izay, dia maro ireo mihevitra fa misy mpanao politika sy hidirana politika ity hetsiky ny mpianatra ity. Mandeha mantsy ny feo ankehitriny fa misy mampirisika mba hisian’ny korontana sy olana ara-tsosialy ireto mpianatra ireto. Izay no nilazan’ireo filohan’ny fikambanana zanak’atsimo mitarika ny filaharana fa hetsika tsy misy idiran’ny mpanao politika ny hetsika ataon’izy ireo, fa fitakiana ny hisian’ny fitoniana mba hahafahana manohy ny fampianarana. Milaza hanohy ny fidinana an-dalambe ireto mpianatra ireto raha mbola manampin-tsofina manoloana ny olana ao Barikadimy ny FAT.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT