Actualités

Toamasina Nisy nanely feo fa voapozina ny rano


  • Talata 21 Febroary 2012

Ny sabotsy alina teo no nanao ny andrana tamin’ny ozinina mpamokatra asidra solfirika, ny tetikasa Ambatovy ao Tsararivotra.

 Asidra solfirika izay ilain´ny tetikasa amin´ny fisivanana sy famokarana ireo nikela sy kobalta trandrahany eto amintsika mandritra ny 27 taona. Afa-po tamin’ny andrana natao ny tetikasa, araka ny nambaran’i Tina Théo Doris mpitondra teniny. “Tsy misy atahorana ny andrana natao, teknika vita sedra avo lenta eran-tany no ampiasaina, ary mitandrina mafy amin’ny fiarovana ny mpiasa sy ny mponina manodidina izahay”, hoy hatrany izy. Nolazain’i Tina Théo Doris fa “resa-be fotsiny ny filazana ny fahavakisana fantsona tao Tanandava nandritra ny andrana natao, ka hoe niparitahan’ireo asidra solfirika novokarina nanaovana ny andrana”. Nisy mihitsy omaly hariva ny fidinana ifotony tao Ambolomadinika, nisedrana teo imason’ny mpanao gazety sy ny mponina manodidina, ny fisotroana ny rano lazaina fa tsy azo sotroina fa voaloton’ity andrana natao ny sabotsy alina ity.

Marihina fa niely ny feo ny sabotsy alina fa voapozina ny rano ao Toamasina, ka mety hankarary ny fisotroana sy ny fampiasana azy, indrindra fa ny rano paompy tany, izay ampiasain´ny 80%-n’ny vahoaka. Vokatr’io feo niely io dia filaharam-be no hita tamin´ireo paompin’ny jirama isam-pokontany, indrindra ny tao Ambolomadinika ny sabotsy alina. Namoaka fanambarana ny Talen’ny Jirama Toamasina, Raboto Thu Sion, omaly taorian’ny fanadihadiana sy ny fitiliana ny rano ary fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny tetikasa Ambatovy fa “azo antoka ny fahadiovan’ny rano avoakan’ny Jirama. “Tsy marina izany rano voapozina izany fa tsaho iniana aely hanaratsiana ny rano vokarinay”, hoy izy. Na teo aza anefa ireo fanazavana rehetra ireo, dia hita ho mbola betsaka ny olona no mitaintaina amin’ny rano, na Jirama izany na vovo mahazatra azy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT