Toamasina II

> Notaterina tamin’ny fiara ireo mpifidy


  • Talata 24 Desambra 2013

Nahazoana akony hatrany ny fifidianana roa sosona nitranga ny 20 desambra teo ho an’i Toamasina II.

Nisy ny fitaterana mpifidy nataon’ny kandida depiote iray sady mpanohana kandidam-panjakana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fiara Mercedes 65… AD, mpanao fitaterana an’ingahy kandida depiote ihany no nitaterana olona nifidy tao Ambalamanasy avy eo nentina nifidy tao Ambodisaina samy ao amin’ny Toamasina II. Izay no nahatonga ny fahamaroan’ny mpifidy noho ny voasoratra anarana tamina birao fandatsaham-bato maromaro tao Toamasina II ary nampiakatra ny salanisa azony sy ny an’ilay kandida filoham-pirenena tohanan’izy ireo. Ankilan’ireo dia raikitra ny sakoroka tao Ambodilazana noho ny tsy faneken’ny mponina hijoro vavolombelona amin’ny hanafohanana ny vato tamin’ireo birao fandatsaham-bato tsy nahazoan’ingahy kandida vokatra tsara, indrindra ny an’ilay kandida filoham-pirenena tohanan’izy ireo, araka ny fangatahan’ingahy kandida depiote, izay narahina fividianana vavolombelona amin’ny fanangonana sonia. Maro ny fitoriana mikasika ity tranga ity, izay efa eo ampelatanan’ny CES sy mpitsara manokana momba ny heloka amin’ny fifidianana ihany koa, ka ho hita eo ny tohiny.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT