Samy manana ny filazany amin’ny fizahana ireo marary tonga eo aminy ireo mpitsabo ao Toamasina.
Ny itovizan’izy ireo dia ny filazana fa tsy mifanalavitra tamin’ny fitrangan’ny Dengue ny taona 2006 sy ny fitrangan’ny Chikungunya ny fijery ireo olona tonga mitsabo tena. Voalazan’ireto mpitsabo hatrany fa tsy tena mafana hoditra ireo marary saingy marary an-doha be, reraka be, indrindra ny takariva ary somary voan’ny gripa izany, mikohaka ihany koa. Nomarihan’ireto mpitsabo fa sarotra ny hanaovana fitiliana amin’izao fahantran’ny firenena izao, fa ny tsy azo ihodivirana aloha dia mirongatra be ny aretina tazo ao Toamasina. Na eo anivon’ireo toeram-pitsaboana tsy miankina na eo anivon’ny hopitaly na ireo toeram-pitsaboana fototra, dia mitovy ny tarehimarika, fa ny marary 08 amin’ny 10 tonga mitsabo tena dia vokatr’ity “tazo hafahafa” ity avokoa. Nanome toromarika amin’ny tokony handraisan’ny Kaominina andraikitra amin’ny fanalana ny loto sy fanadiovana ny tanàna ireo mpitsabo, tokony hanao fitiliana momba ity tazo ity koa ny minisiteran’ny fahasalamana mba hahalalana marina mikasika azy. Ho an’ny vahoaka kosa dia ny fihinanana vitamina sy voankazo ary fanadiovana ny manodidina ny trano fonenana no fanafody voalohany hanalefahana ny fiantraikan’izao tazo “hafahafa” miseho ao Toamasina tato ho ato izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.