Toamasina

> Mivangongo etsy sy eroa ny fako


  • Zoma 31 Janoary 2014

Mivangongo etsy sy eroa ny fako ao an-tampon-tanànan'i Toamasina. Misy ihany ny fanesorana azy ireny amin'ny faritra sasantsasany saingy mahalana ka poa toy izay dia mihoatra ny toerana voatokana, ka mila hahatapaka ny arabe amin'ireny faritra ireny ny fako raha tsy lasa tendrombohitra.

Rehefa nohadihadiana ny zava-misy teny anivon'ny fiadidiana ny Kaominina dia fantatra fa ny tsy fivoahan'ny tetibola 2014 hoenti-manana ny fanalana ny fako mihitsy no olana. Koa izay tratra amin'ny alalan'ireo fiaraha-miasa tsy maharitra amin'ny mpandraharaha ao an-toerana no ahafahana manilika tsikelikely ireny fako ireny na dia tsy dia tena maharaka aza.

 

Miandry vola

Fantatra koa anefa fa misy ihany ny orinasa mifototra amin'ny fanodinana fako efa nandraikitra fiaraha-miasa tamin'ny fiadidiana ny tanànan'i Toamasina, saingy voatery niato izany amin'izao satria «tsy maharaka ny fakon'i Toamasina», hoy ny tompon'andraikitra. Raha ny hita ao amin'ny antontan-taratasin'ny tetikasa tokoa mantsy dia mila fako milanja 500 taonina isan'andro ny orinasa kanadiana saika hanatanteraka ny fanodinana fako ho angovo vao afaka mihodina manontolo andro. Raha ny fantatra anefa dia tsy manana afa-tsy fako 100 taonina isan'andro i Toamasina raha raofina isan'andro hatramin'ny isan-tokantrano.
Na izany aza dia misy ihany ny orinasa efa manao ny asa fanodinana ny fako ho angovo hahandroana sakafo ao Toamasina, saingy tsy mampiasa afa-tsy fako 5 metatra toratelo isan'andro.
Ka mazava ho azy fa kely loatra miohatra amin'ny fakon'i Toamasina sy ny manodidina izany. Dia eo am-piandrasana ny fivoahan'ny tetibola ahafahan'ny Kaominina manala ara-potoana ny fako amin'ny faritra maro ao an-tampon-tanànan'i Toamasina indray izany. Ny aretina samihafa vokatry loto miparitaka anefa etsy an-kilan'izay miha mahazo vahana ihany.

Fanja

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT