«THB Tour» tao Toamasina

> 16 voatsatok’antsy, 02 tsy mahatsiaro tena


  • Alatsinainy 25 Novambra 2013


“Efa tsy azo lazaina ho tompon’andraikitra intsony fa jamban’ny vola sy ny bizina ny mpitondra ny tanànan’i Toamasina, hany ka na efa fantatra fa miteraka olana ara-pilaminana ny fanaovana fety amin’ny andro alina eo amoron-dranomasina miaraka amin’ny toaka dia nomena alalana ihany”. Izay no nambaran’ireo mpitsabo eo anivon’ny hopitaly be, sahirana mitsabo ireo olona voatsatok’antsy niisa 16 ka ny 02 tena voa mafy, miady amin’ny fahafatesana, tonga tao ny alin’ny sabotsy nifoha ny alahady maraina teo. Ankoatra izay, araka ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany dia misy ny tsy manana havana eto Toamasina mihitsy ireo naratra, ka raisin’izy ireo an-tanana ny fiantohana ny fanafody rehetra. Notanterahina teny amoron-dranomasina tokoa ny anjaran’i Toamasina tamin’ny “THB Tour” ny sabotsy alina teo. Vory maro noho izany ny olona hijery fety sy himamo. Ankoatra ireo olona 16 voatsatok’antsy ireo dia mbola nisy koa ireo olona 05 tratry ny lozam-pifamoivoizana noho ny hamamoana sy ny fahateren’ny lalana izay tsy voafehin’ny mpikarakara ny lafiny fandrindrana sy ny filaminana.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT