Actualités

Tetikasa «Trano Mora» Esorina avy hatrany izay tsy mahaloa vola isam-bolana


  • Alarobia 19 Oktobra 2011

Tsy misy indrafo. Izay rehetra mividy trano aloa tsikelikely amin’ireo Trano Mora ka tsy mahaloa izany ara-dalŕna dia esorina amin’ilay trano avy hatrany.

 Mazava ny tenin’ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo fa ny 20%-n’ny vola voaloa teo aloha ihany no averin’ny fanjakana ho an’ireo izay tsy manaja ny fepetra nosoniaviny. 150.000 ariary isam-bolana no alaina amin’ireo tsara vintana voasafidy amin’ny antsapaka izay tontosaina arakaraka ny fahavitan’ny trano mora isam-paritra. Mihamazava moa ankehitriny ny fepetra takian’ny fanjakana ahafahana mametraka antontan-taratasy amin’ity tetikasa ity satria ankoatra ny maha latsaky ny 35 taona ny mpivady manao fangatahana dia tokony hikarama 4 hetsy ariary isam-bolana izy ireo.

“Tsy maintsy manana taratasy manamarina ny karama raisiny, antontan-taratasy manamarina ny fijoroan’ny orinasa iasany latsaky ny 3 volana izay manao fangatahana”, hoy ny minisitra. Marihina fa tsy misy zanabola alaina fa ny vidin’ny trano ihany no aloa tsikelikely isam-bolana. Manodidina ny 250 ka hatramin’ny 500 isan’andro ireo mangataka fanazavana sy maka ny antotan-kevitra manazava momba ny Trano Mora eto Antananarivo saingy mbola vitsy dia vitsy kosa ireo nametraka fangatahana. Mialoha ny faran’ny taona kosa no hitsinjarana ireo trano voalohany eny Anosimasina Ambohidratrimo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT