Actualités

Tetikasa Tramway Miakatra ny feo eny Ankorondrano Andrefana


  • Alakamisy 15 Septambra 2011

Niala tamin’ny fahanginany ireo fianakaviana maro mety horavana trano amin’ny Ankorondrano Andrefana iny, amin’ny fanatanterahana ny tetikasa “tramway”, nampanantenain’i Andry Rajoelina.

 Nivoaka ny trano ary nilanja sorabaventy maneho fanoherana ny fikasana hanala azy ireo amin’ny trano ireto fianakaviana am-polony maro ireto omaly antoandro. Hetsika fanairana ihany anefa no nataon’izy ireo taorian’ny taratasy misokatra nalefan’izy ireo tany amin’ny ministera samihafa izay tsy nahazoan’izy ireo valiny.

Nivoaka nandritra ny hetsika nataon’ny mponina omaly ity fa efa namidy tamin’ny Sinoa sy Karana ny toerana ka izay no hanesorana azy ireo, saingy toherin’izy ireo izany. Efa ampy ny nanesorana taloha 3 metatra tamin’ny andaniny avy amin’ny lalamby, hoy izy ireo. Ambaran’ireto mponina ireto koa fa any amin’ny 2km miala an’Ambohijanaka, no mety hametrahana azy ireo raha miala ao, ka tsy ekena satria misy fiantraikany amin’ny fianaran’ny ankizy sy ny asa fivelomana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT