Izahay mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, hoy ny CST Raharinirina Jacques Aimé avy any Matsiatra Ambony, dia tsy mba hanaiky mora foana an’izany volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2014 hanaovana tsangan-tanana tsy hiadian-kevitra izany.
Na dia olom-boatendry aza izahay, hoy izy, dia manana andraikitra mitovy amin’ny an’ny Senatera voafidy ara-dalàna eo amin’ny fomba fiasa ka tsy handraraka ilo mby an-doha amin’izany. Mametra-panontaniana Raharinirina Jacques Aimé, hoe tsy tokony mba hasiana adihevitra ve ny amin’ny fiantraikan’ireo volabem-panjakana tao anaty fiarabe voaaro roa very tsy nisy fanadihadiana hatreto ? Tsy tokony hasiam-panontaniana sy adihevitra mazava ve ny fiantraikan’ilay tetibola 5% hany mba nalefa tany amin’ny Faritra tao anatin’izay efa-taonan’ny tetezamita izay ? Ary ahoana ny ho fiantraikan’ny famarotana ny anjaran’ny fanjakana malagasy tao amin’ny BNI sy ny amin’ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny Trésor nilaza fa robaka ny volam-panjakana ankehitriny ? Ary ny ambarany fa namoahana vola mitentina 100 mialara tao hanaovana fotodrafitram-panjakana manerana ny Nosy nefa inona no nitsangana teo ? Dia ahoana koa ny amin’ny ambarany fa «subvention» natao foana teo amin’ny resaka vidin-tsolika ? Izany rehetra izany, hoy hatrany Raharinirina Jacques Aimé no hilazanay fa tsy tokony handalo fotsiny eny anivon’ny rafitra mpanao lalàna ity volavolan-dalàna mamaritra ny tetibolam-panjakana taona 2014 ity. Hafampana ny adivehitra ao amin’ny Lapa maitson’Anosikely anio mandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny CST sy rahampitso handinihana ity lalàna mifehy ny tetibola 2014 ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.