Televiziona VIVA

> Manitsaka ny TVM ao Ambositra, tezitra ny vahoaka


  • Alakamisy 12 Desambra 2013

Gaga sy taitra ary tsy faly ny ankamaroan’ny vahoakan’Ambositra nanomboka ny talata 10 desambra teo fa mandeha tsy tapaka ny fahitalavitra VIVA avy aty Antanarivo.

Nanomboka hatramin’io andro io ka hatramin’izao dia tsy mahita ny TVM intsony ny vahoaka. Nahoana izahay no terena hijery an’io, hoy ny olona. Betsaka no sorena satria aleon’ny olona manaraka hatrany ny TVM misy ny vaovaon’ny kandida Dr Robinson Jean Louis toy izay ny an’ilay anankiray tohanan’ny filohan’ny tetezamita sy ireo kandida depiote miaraka aminy. Efa nisy andian’olona tao Ambositra nikaroka ny foibe mpanaparitaka io sarin’ny VIVA io nefa tsy nahita ka tao Antamponivinany misy ny foiben’ny RNM sy TVM no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka. Mitaraina amin’ny fandehanan’ny VIVA ao Ambositra ny vahoaka any an-toerana fa tsy araka ny nieritreretan’ny mpandefa azy io izay hanafenana tanteraka ny fizotry ny fampielezan-kevitry ny Dokotera Robinson. Tsy fantatra izay hiverenan’ny TVM ao Ambositra satria araka ny nambaran’ny mpiasa iray ao dia tsy avy ao no mianga io sarin’ny VIVA io ary mandeha tsara fa tsy tonga any an-tokantranon’ny olona ny TVM. Efa sabôtazy pôlitika izao hoy ny maro ka ho hita eo ny voka-pifidianana amin’ny 20 desambra.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT