Tsy nahita ny fahitalavitra Viva intsony ny vahoaka tao Ambositra nanomboka omaly talata 28 janoary 2014. Nisy nanala ny fitaovana mpanaparitaka ny sary avy aty Antananarivo tao Ambositra ny harivan’ny alatsinainy 27 janoary teo ka tsy hita intsony ity fahitalavitra nanakona ny TVM ity.
Maro amin’ny vahoaka no naneho ny hafaliany fa niverina indray ny fahitalavi-pirenena izay tsy hita tao anatin’ny 48 andro. Mbola mandre Radio Viva kosa ny ao Ambositra hatramin’izao. Tsiahivina fa ny talata 10 desambra 2013 no nanomboka re sy hita voalohany tao Ambositra ny Radio sy ny televiziona Viva, nalefa hampandaniana ny kandida Hery Rajaonarimampianina sy ireo kandida depioten’ny MAPAR tamin’ny fampielezan-kevitra. Depiote MAPAR roa tamin’ny efatra nilatsaka tao Amoron’i Mania no lany raha ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI-T dia ny tao Ambatofinandrahana nisy an-dRtoa Razanamahasoa Christine sy ny tao Fandriana nisy an-dRtoa Toto Raharimalala Marie Lydia. Asa na vokatr’izay tsy fahombiazana izay no antony nanapahana ny televiziona Viva tao Ambositra na antony hafa fa samy tsy misy miraharaha izany ny ankamaroan’ny olona izay efa miandry ny hisokafan’ny Radio sy televiziona vaovao sy ny hisokafan’ireo nakatona ao Ambositra ao.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.