Actualités

Tarika Ambondrona Hiantsehatra ora telo ao amin’ny Louvre anio alina


  • Zoma 17 Febroary 2012

Amin’izao fiandohan’ny taona izao dia marobe ireo mpankafy efa manontanintany mahakasika ny tarika Ambondrona. Fantaro ary fa hiantsehatra ao amin’ny Louvre Antaninarenina izy ireo anio manomboka amin’ny 9 ora alina, izay iarahan’ny tarika miasa amin’ny restaurant 313 sy ny Mi’Ritsoka Production.

 Raha ny fanamarihana nataon’ny tarika dia hiendrika “afterwork” ity seho an-tsehatra ity ary haharitra eo amin’ny ora telo eo. Ankoatra izay, nandritra ny fihaonan’izy ireo voalohany tamin’ny mpanao gazety omaly dia nampahafantatra ny ho fandaharam-potoanan’ny tarika, amin’ny ampahany sahady izy ireo. Hitodi-doha hianatsimo ny tarika ho fanombohana ny fitetezam-paritra ka handalo an’Antsirabe, Fianarantsoa ary hamarana izany any Ranomafana. Tsy ho latsa-danja anefa ireo faritra manodidina an’Antananarivo, izay mankafy ny tarika ihany koa. Any amin’ny fiandohan’ny volana mey kosa dia hiseho an-tsehatra goavana izy ireo, eto an-toerana hanolorany izay ho endriky ny fety hataon’izy ireo any amin’ny La Cigale, Paris, ny 09 Jona izao. Aorian’ny any ivelany dia hitohy ny fitetezam-paritra eto an-toerana. Nandritra ity valandresaka ity ihany koa no nampahafantaran’ny tarika ny fihemoran’ny fivoahan’ny rakikira fahenina. Raha ny paikady ara-tserasera nosafidian’izy ireo mantsy dia hoentina an-tsehatra sy alefa amin’ny haino amanjery aloha ireo hira vaovao vao entina hamidy hojifaina.

Tsy azo tsinontsinoavina ihany koa, hoy izy ireo ny andraikitry ny mbola fikorontanana ara-tsosialy sy ekonomika eto amintsika amin’izao fotoana, sy ny mbola firoborobon’ny “piratage”, izay iaraha-manaiky fa mamotika ny artista. Rahalina amin’ny 9 ora alina izany ny fotoana ho an’ireo izay te hiara-dalana amin’ny tarika amin’ity herinandron’ny mpifankatia ity!

‘Latinah

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT