Actualités

Taranaka Andriana sy Ampanjaka Mampitandrina ny mpitondra


  • Zoma 30 Desambra 2011


 Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, indrindra ny nahavery ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona tao amin’ny lapan’Andafiavaratra dia tonga nivondrona teny amin’ny lapan’i Manjakamiadana ireo raiamandreny ara-drazana ivondronan’ny taranaka Andriana fito reny avy eto Antananarivo sy ireo taranaky ny Ampanjaka avy any amin’ny faritany omaly misandratr’andro. Raha fehezina ny fandraisam-pitenenan’ny solontena tsairairay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy dia fampitandremana ho an’ny mpitondra. Nisy mihitsy aza no nilaza fa «misy ny olona tsy natao hitondra nefa mitondra eto amin’ny firenena. Matoa misy ny zavatra very tahaka izao dia midika izany fa tany tsy misy raiamandreny eto ka tokony handini-tena isika. Ny fiandrianan’ny firenena mihitsy no very. Very hasina ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Noho izany dia tsy maintsy hiharitra ny ozona mianjady aminy sy ny taranany izay olona naka iny satroboninahitra iny”, hoy izy ireo.

Ho an’ny taranaky ny Zazamarolahy Ratovondrahety dia nahitsy ihany koa ny teniny : “Mahagaga fa miseho azy ho mahita izatsy na mahita izaroa izay tsy takona afenina ny mpitondra kanefa ilay satroka tsy hita hatramin’izao. Manozona ny hasin’ny razana ka tokony hamerina iny satroboninahitra iny izay naka azy”, hoy izy. Ny an’ny Andriarimanana taranak’Andriandahifotsy avy any Isandra indray dia hentitra raha nilaza fa “rehefa tsy handray andraikitra ny mpitondra dia hanao izahay. Hijoro izahay manomboka androany. Tsy misy atahoranay ny fanagadrana satria raharahan’ny Malagasy rehetra ity. Izahay tsy haka fanjakana ary tsy hanongam-panjakana saingy hilaza ny marina izahay. Ampy izay ny fanaovana tsinontsinona ity firenena ity izay”, hoy izy.

Titan 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT