Mila manangana vovonana karazana masoivohon’ireo orinasa madinika sy salantsalany i Madagasikara,
hoy ny tale mpanatanteraky ny International Trade Center Arancha Gonzales. Hanampy betsaka amin’ny fivarotana ireo vokana aondran’ny firenena Malagasy any ivelany ny fijoroan’izy io.
MPANDRAHARAHA MALAGASY
Manameloka ny fipoahana namoizana ain’olona ny 26 jona tao Mahamasina ny Fivmpama, ny Gem, ny Sim ary ny Gefp. Manaratsy endrika ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara iny tranga iny, hoy ireto fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy ireto.
ANTSOANTANY ANTSIRABE
Hotokanana amin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 23 sy alahady 24 jolay izao ireo trano vita amin’ny tetikasa « Exode urbain » tanterahan’ny Hafari Malagasy any Antsoantany Antsirabe miaraka amin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona faha-2 nijoroan’ity fiarahamonim-pirenena ity tany an-toerana.
ANKIFY AMBANJA
Trano efatra no nirehitra omaly misandratr’andro. Toeram-pivarotana no voalaza fa niandohan’ny afo. Tsy nisy aina nafoy fa fahasimban-javatra no betsaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.