Zava-doza raha holanian’ireo depiote ny fehezan-dalŕna hifehy ny fifandraisana sy ny serasera na “Code de la communication médiatisée”, hoy ny antoko AND (Antoka sy Dinan’ny Nosy).
Mitsipaka ny fandaniana azy io ny AND, izay ambarany fa fanapenam-bava ary mifanipaka amin’ny lalàmpanorenana satria tsy hanana zo haneho hevitra intsony ny isambatan’olona mikasika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena.
AMBOHITRIMANJAKA
Nankahery ireo mpianatra miisa 550 hanala fanadinana CEPE eny Ambohitrimanjaka amin'ity taona ity, ny antoko Tiako i Madagasikara eny an-toerana. Fitaovana isan-karazany no nomena azy ireo tsirairay teo anatrehan'ny mpanabe sy ny ray aman-dreny sady nirary fahombiazana ho azy ireo sy ny mpiadina rehetra manerana ny Nosy.
FIAINANA ANTOKO
Hiatrika Filankevi-pirenena ny antoko Leader Fanilo amin’ity volana ity. Hatao eto Antananarivo ny 22 sy 23 jolay izany raha novinavinaina hatao ny 15 sy 16 jolay 2016, araka ny fanazavan’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, mpandrindra teknika nasionaly mitantana vonjimaika ny antoko.
BAOMBA TENY MAHAMASINA
19 amin’ireo naratra niisa 91 ny harivan’ny 26 jona teny Mahamasina no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ny roa amin’ireo mbola tena ahiana ny fahasalamany.
BEKILY
Manjaka ny halatra lakolosy any amin’ny distrikan’i Bekily. Hatramin’ny ao an-tampon-tanàna ka hatrany ambanivohitra dia lasibatra avokoa. Nahatratra 12 ny lakolosy efa najifa hatramin’iny herinandro iny ary tsy mifidy finoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.