Tapaka maharitra 28 ka hatramin’ny 30 ora ny jiro, amin’ny ampahan’ny tanàna ao Anjanahary II S.
Mitaraina ny mponina eny an-toerana manoloana izany, satria tsy vao izao io, nefa tsy misy vahaolana entin’ny Jirama. Tsy misy asa fihariana vanona, ny mpianatra manomana fanadinana sahirana, ny tsy fandriampahalemana mampandry tsy lavoloha.
ANTENIMIERANDOHOLONA
Namelabelatra ny votoatin’ny volavolan-dalàna, fanatsarana ny «Ady hatao amin’ny Kolikoly» sy «Fananganana ny rafi-pitsarana» eto Madagasikara teo anoloan’ny Loholona tao Anosikely, omaly, ny minisitry ny Fitsarana Andriamiseza Charles notronin’ny Filohan’ny Birao Mahaleotena amin’ny Ady amin’ny Kolikoly (BIANCO) Andriamifidy Jean Louis ary ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha misahana ny Famotsiambola sy ny Famatsiambola (SAMIFIN) Lamina Boto Tsara Dia.
ADY AMIN’NY KOLIKOLY
Nilaza ny minisitry ny fitsarana Andriamiseza Charles fa tao anatin’ny roa taona dia mangarahara 100% ny fampidirana mpianatra amin’ny Sekoly Ambony mpampiofana ny Mpitsara eto amintsika na ENGM (Ecole Nationale de la Magistrature et de Greffe). Matoky ny minisiteran’ny Fitsarana fa misy mpianatra 150 eo ho eo tena mahay sy mendrika afaka hanaramaso akaiky ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.