Tazana any Ambatolahy, Kaominina anelanelan’i Malaimbandy sy Miandrivazo ihany koa ireo andiana fiaraben’ny sinoa.
Voalaza fa hitrandraka volamena any Marosada izy ireo. Toerana malaza amin’ny voly katsaka, tsaramaso ary vary i Marosada.
IVATO
Nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinana CEPE rahampitso talata, avy amin’ireo EPP rehetra ao anatin’ny Kaominina Ivato ny fikambanana « Destiny », tarihin’ny vadin’ny Ben’ny tanàna Hobisoa Randrianarisoa. Natao teo an-tokotanin’ny Kaominina Ivato ny sabotsy teo ny fizarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.