Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 17 Febroary 2014


Miandry ny fitsanganan’ny governemanta vaovao miaraka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna i Etazonia, hoy ny mpanolotsaina vaovao misahana ny serasera sy ny lafiny ara-kolontsainan’ny masoivoho,’i Etazonia, Luke V. Zahner.

 

 Ao anatin’ny fivoriana manokan’ny Antenimieram-pirenena ny 18 febroary vao tokony ho hita soritra ny maro an’isa sy ny mpanohitra, hoy ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena. Raha tafiditra ao anatin’ny fomba parlemantera ny fifampidinihana dia tsy azo ekena kosa ny ady seza, ny rahona ary ny kolikoly.

 

 Hahatratra hatrany amin’ny 20.000 taonina isan-taona ny vokatra siramamy hivoaka ao amin’ireo orinasan’ny Sirama Nosy Be sy Brickaville aorian’ny fiverenan’ny asam-pamokarana.

 

 Ireo karatra fanasana nivoaka avy amin’ny sampandraharaha mikirakira ny arofenitra eny anivon’ny Antenimieram-pirenena no manan-kery amin’ny fivoriana tsy ara-potoana hatrehin’ireo solombavambahoaka ny talata 18 febroary 2014.

 

 Hanan-danja manomboka amin’ny voalohan’ny volana aprily 2014 mandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna ny vato fotsy any Frantsa. Lany teny anivon’ny Parlemanta ny faran’ny herinandro teo io volavolan-dalàna naroson’ireo antoko afovoany frantsay io.

 

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ilanivato akaikin’ny paositry ny polisy ny sabotsy folakandro teo. Mpitaingina moto no nandona zazalahy handeha hiampita ny arabe. Tsy nahatsiaro tena avy hatrany ilay voadona ka nentina namonjy hopitaly avy hatrany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

Hijery ny tohiny
FTT