Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 15 Febroary 2014


Ho hita manomboka amin’ny volana martsa 2014 eny anivon’ny Fokontany ny lisi-pifidianana vaovao hiatrehana ny fifidianana Ben’ny tanàna, hoy ny CENI-T. Afaka manamarina ny anarany avy hatrany ireo mpifidy hatramin’ny faha-15 aprily 2014.

 

Vinavinaina ho 7 tapitrisa dolara na 16 miliara Ariary ny ambin’ny filàna ampiasain’ny Fandaharanasa ara-tsakafo manerantany ao anatin’ny enim-bolana manaraka. Ireo ankizy mpianatra marofy, mararin’ny aretina raboka, vehivavy bevohoka sy mampinono ary tokantrano sahirana manodidina 8 hetsy eto Madagasikara no kendrena hampiana.

 

Ireo mpikambana ao amin’ny governemanta miampy ny sehatra tsy miankina no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fihaonana antampon’ny Comesa ny 16 hatramin’ny 27 febroary sy ny atrikasa andiany faha-9-n’ny fihaonambe ara-toekarena ny 21 sy 22 febroary 2014. Miankina betsaka amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena kosa ny fiatrehan’ny filohan’ny Repoblika izany.

 

Nanome baiko ny fampiharana ny drafitra ifotony momba ny filaminana 2014 novolavolain’ireo manampahefana sy mpandraharaha tsy miankina ao Nosy Be hamerenana ny fandriampahalemana ny filoham-pirenena. Hanokana 26 tapitrisa Ariary ny fanjakana amin’ny fanatanterahana izany raha nanapa-kevitra ny hampitombo ny isan’ny mpitandro filaminana ny polisy sy ny zandary.

 

Manomana hetsika fanentanana ho fiadiana amin’ny kolikoly ho tombontsoan’ireo mpianatra 210 vaovao hiditra ao amin’ny sekolim-pirenena manofana mpiasam-panjakana eto Madagasikara ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly.

 

Hitsangana tsy ho ela ny komitin’ireo manampahaizana eo anivon’ny governemanta ho fanamafisana ny fahavononan’ny filohan’ny Repoblika hiady amin’ny kolikoly.

 

Kaominina 11 amin’ireo 17 ao anatin’ny Distrikan’i Maintirano no rakotry ny atodim-balala ankehitriny. Atahorana ny voly vary, mangahazo, katsaka ary voanjo ao amin’ireo toerana sompitra ao Maintirano ireo.

 

Efa nafindra eny amin’ny hopitaly manara-penitra eny Andohatapenaka ny ankamaroan’ny fitaovana ampiasaina vonjy taitra etsy amin’ny HJRA. Alefa eny ireo mila maika izany. Manara-penitra koa anefa ny vola aloa koa mila miomana ireo sendra ny tsy fidiny.

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT