Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 14 Febroary 2014


Milaza ny hifamory etsy Ambodivona ireo kandida nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina anio maraina. Raha ny resaka mandeha dia mahatsiaro ho ambohompefy izy ireo ka hifanatona, hampitovy tadin-dokanga indray ary hifandinika ny amin’izay hatao.

 

Taorian’ny fikaonan-doha teo amin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny ministeran’Asa Vaventy, ny Famantarana ny toetr’andro ary ny Kaominina Antananarivo renivohitra no nivoahan’ny fifanarahana hanao ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ireo lavadavaka eny amin’ny arabe mahatonga ny fitohanana sy ny lozam-piarakodia an-drenivohitra izay mirefy 3.500 m².

 

Ny orinasa misahana ny sehatry ny fanomezana fahafaham-po no niorina betsaka tamin’iny taona 2013 iny. Nahatratra 13.123 ny isan’ireo orinasa izay nihena hatrany amin’ny 40,4% raha mihoatra ny tamin’ny taona 2012.

 

Misy ny soso-kevitra volavolan-dalàna momba ny fifidianana ben’ny tanàna novolavolain’ny CENI-T izay hatolony ny minisiteran’ny Atitany mialoha ny handinihan’ny Antenimieram-pirenena ka hamadihana azy ho lalàna.

 

I Tohizara Eddy no lehiben’ny Distrika vaovaon’i Nosy Be nanoloana an-dRamanamahafahay Malaza. Fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny diany tany an-toerana io. Tafiditra amin’ny famindran-toerana ireo mpiasam-panjakana no fanazavana nentiny momba izany.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT