Nanamafy ny fanohanany ny filoha Rajaonarimampianina Hery ireo solombavambahoaka lany avy amin’ny Malagasy Miara-Miainga. Amin’izy ireo mantsy dia tsara tohanana ny fandaharanasan’ity farany.
Mbola mandray ireo tombontsoa amin’ny maha mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ireo Parlemantetra voatendry mandra-pijoron’ny Antenimieram-pirenena ny 18 febroary 2014.
Tsy mahazo mihoatra ny 60km isan’ora ny hafainganam-pandehan’ireo mpitatitra olona any amin’ny faritany manomboka izao, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny minisiteran’ny Fitaterana taorian’ny lozam-piarakodia namoizana ain’olona 7 tamin’iny lalàm-pirenena faharoa iny.
Mirona kokoa any amin’ny sehatra tsy ara-dalàna ny Malagasy. Araka ireo isa farany navokan’ny Ivontoerana mikirakira ny atontanisa dia nahatratra 80%-n’ireo asa niforona tamin’ny taona 2013 no tsy manara-dalàna. Voakasika manokana amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.
Tena leo sy tofoka tanteraka amin’ny fanapariahana tsy ara-dalàna ireo mozika noforoniny sy nosoratany ireo mpanakanto malagasy. Ilaina ny fampiharan’ny fitondrana mijoro ankehitriny ireo fepetra henjana mba hamongorana izany, hoy ireo artista nivory teny amin’ny foiben’ny OMDA ny faran’ny herinandro lasa teo.
Mbola ambony ny vidin’ireo vary vokatra eto an-toerana sy nohafarana avy any ivelany tamin’ny faran’ny volana janoary lasa teo mihoatra ny tamin’ny taona 2013. 189 Ariary ny tombony isan-kilao ho an’ny vary vokatra eto raha 82 Ariary izany ho an’ny vary vahiny.
Nahazo fanampiana mitentina 2,5 miliara Ariary tamin’i Soisa ny fandaharanasa iraisam-pirenena misahana ny sakafo miasa amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara. Olona miisa 46.000 sahirana ara-tsakafo no hahazo ity fanampiana ity izay tafiditra ao amin’ilay tetikasa «Asa atakalo sakafo».
63 tapitrisa Ariary, io no tetibolan’ny oniversiten’Antananarivo hampiasaina amin’ity taona 2014 ity.
Nanomboka tamin’iny herinandro lasa iny ny taom-pianarana ho an’ny Fakiolten’ny fitsaboana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Efa nampihatra ny rafi-pampianarana LMD moa ity fakiolte ity. Niakatra ho 50.000Ar ny saram-pisoratana anarana ho an’io sampana io.
Nitrangana fanafihana mitam-basy indray teny Ankadifotsy Befelatanana ny alatsinainy hariva tokony ho tamin’ny 7ora. Mpivarokena no lasibatra. Roa lahy izy ireo ary niditra avy hatany tao amin’lay fivarotan-kena sady nandrahona no naka vola. 400.000Ar no lasan-dry zalahy. Nilefa tany anelakela-trano izy ireo avy eo izay maizina noho ny tsy fisian’ny jiro.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.