Nifarana ny Alahady teo tao amin'ny EKAR Masindahy Joany Morarano ao Toamasina ny fanamarihana ny herinandron'ny FFKM tao amin'ny faritra Atsinanana. Raha natomboka tao amin'ny EEM izany ny fiandohan'ny herinandro teo. Ny maha zava-dehibe ny vavaka iraisam-pinoana ho an'ny tanindrazana sy ny fifandeferana ary ny fijoroana amin'ny maha Kristianina no anisan'ny nivohitra tamin'izany.
Mitohy ny fitadiavam-bahaolana eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga ataon’ny ray aman-dreny ny mpianatra. Nanangana biraon’ny ray aman-dreny izy ireo, ka ny tanjona dia mba hialana amin’ny fanaovana fanambarana tsy nahazoana alalana avy amin’izy ireo. Ny fikambanan’ny mpianatra etsy an-kilany milaza fa hiaro ny tolona dia ny tsy fanekena ny fiverenan’ny filohan’ny oniversite eo amin’ny toerany.
Mbola niangavy indray ny vahoakan’i Toamasina haharitra kely momba ny tsy filaminan'ny herinaratra vokarin'ny Jirama ny «Comité des sages» ao an-toerana. Nanokana fotoana nitadiavana ny marina sy nampiantsoana ny teo anivon'ny Jirama, ny Enelec ary ireo mpandraharaha sy ny fiarahamonim-pirenena ao Toamasina tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay izy ireo ka izao nitondra tatitra ho an'ny vahoaka izao ny herinandro lasa teo.
Nitrangana hain-trano ny Alarobia teo tao Tanambao 3 Fokontany 31/13 ao Toamasina. Fianakaviana efatra nanofa trano lehibe iray misy rihana vita tamin'ny hazo no indray tra-boina tsy misy noraisina tamin'izao satria nifanandrify tamin'ny fotoana fianarana sy fiasan'ny mpiasa mbola teo amin'ny efatra ora tolakandro teo tamin'izay no nitrangan'ny loza.
Lehilahy iray mpitaingina bisikileta no maty tsy tra-drano teny Andranomena. Nitondra anana andeha hamonjy tsena vao maraina, nanodidina ny tamin’ny efatra ora, izy io no nofaohin’ny fiara teny ampandehanana. Nitolo-batana avy hatrany tany amin’ny mpitandro ny filaminana ilay mpamily ny fiara taorian’ny loza.
Nirohotra nankeny amin’ny birao foiben’ny jirama ao Bekily ny mponina any an-toerana omaly alatsinainy tolakandro nanomboka tamin’ny roa ora. Ny hanairana ny tompon’andraikitra no antony satria efa tsy zaka intsony ny delestazy isan’andro, fitaovana samba, ny vaovao tsy mahita … Ny vaovao farany dia hikarakara taratasy ny tompon’andraikitra hapitondraina ny depiote vaovao hangatahana gropy aty amin’ny foibe. Tamin’ny 6ora hariva vao niala ny olona.
Fanja/Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.