Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014


Nandritra ny fitsidihan’ny masoivohon’i Pologne, Kropiwinicki ny filohan’ny CENI-T no nanambarany ny fahavononan’ity firenena mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina ity hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ny tohana ara-drafitra.

1.159 tapitrisa Ariary na 5 tapitrisa dolara no bolongam-bola atokan’ny Fanjakana hikarakarana ireo fifidianana eny anivon’ny tanàna any amin’ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity, hoy ny fanazavana nomen’ny CENI-T.

Nisongadina ny kolontsaina japoney teny amin’ny Espace Dera ny sabotsy 08 sy omaly alahady 09 febroary 2014. Anisan’izany ny Oragami na ny fanomezana endrika ny taratasy sy ny famaranana lalao «go» mampiavaka an-dry zareo japoney.

Notanterahana ny 08 sy 09 febroary 2014 teo tao Antsirabe ny andiany faha-6 amin’ny «Flash safari photo». Fotoana iray izay nifamotoanan’ireo mpankafy sy liana amin’ny fakàna sary indray tao amin’ny renivohitr’i Vakinankaratra.

Ny 07 mey 2014 ho avy izao no hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ao Afrika Atsimo, hoy ny filoha am-perinasa Jacob Zuma, araka ny fanambarana navoakan’ny fiadidiana ny repoblika ny faran’ny herinandro teo.

Mpitandro ny filaminana manodidina ny 1 hetsy no hiandraikitra ny fandriampahalemana mandritra ny fiadiana ny amboara erantany amin’ny baolina kitra ny 12 jona hatramin’ny 13 jolay 2014 horaisin’ireo tanàna 12 any Brezila.

Mikatsaka ny toeran’ny minisitry ny kolontsaina Rabearison Roland na Vahombey nilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena farany teo. Nambarany fa tsy miady seza izy fa mandray andraikitra ho fanohizany ny vinanasany. Hahatongavana amin’ny fahamasinana dia hijoro amin’ny fahamarinana, hoy izy.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT