Nanendry ireo mpanolotsainany manokana ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Miisa 9 izy ireo ary mbola hisy fanendrena hafa, araka ny fanazavan-dRabary Njanka Henri.
Nanipika i Fetison Rakoto Andrianirina fa miankina amin’ny fanapahan-kevitra manokan’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery ny fiverenan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc an-tanindrazana.
Nanambara ny fankasitrahany ary miarahaba ireo ezaka rehetra ho fiadiana amin’ny fanodinkodinana ny hazo sarobidy andramena sy ny fanapotehana ny harem-pirenena eto Madagasikara i Etazonia.
Manana efa-bolana nanomboka tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialin’ny solombavambahoaka ny CENI-T hanomanana ireo ampaham-pifidianana nofoanan’ny CES, hoy ny minisitry ny Atitany Rakotoarisoa Florent.
Nilaza ny teo anivon’ny CENI-T fa hanolotra volavolan-dalàna mikasika ny fikarakarana ireo fifidianana eny anivon’ny tanàna izay hotanterahana mandritra ny vanim-potoanan’ny maintany eto Madagasikara.
Tokony ho aorin’ny fijoroan’ny governemanta vaovao no hiakatra ny mari-karaman’ny mpiasam-bahoaka isan-taona, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola.
Mbola miandry ireo vatsim-pianarana efa-bolana tsy voaloa hatreto ireo mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nanamafy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa ny politikam-pitsitsiam-panjakana no nahatonga ny fahatarana satria nihena ny tetibola fampandehanan-draharaha.
Mihantona ny karaman’ireo polisim-pirenena tratra ambodiomby miara-dalana amin’ny fiarabe milanja mihoatra ny 19 taonina miditra eto an-drenivohitra amin’ny andro antoandro satria voararan’ny lalàna ny fivezivezen’izy ireo mandritra io elanelam-potoana io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.