Hanao hetsika manokana ho fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny zava-niseho teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ireo mpandray anjara tamin’ny tolom-bahoaka loranjy tamin’iny vaninandro iny, anio. Fotoana tsy azo hadinoina mandrakizay iny, hoy ny filoha nasionalin’ny Komity Miaro ny Demokrasia, Raveloson Louis de Gonzague na “Andry KMD”, satria ran’olona maro no latsaka nitaky fanovana ary tena antok’izao Repoblika faha-4 izao koa izy iny.
Nitondra fanamarihana ny tompon’andraikitra voalohan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Rasamimanana Olga fa misy tokoa ny fahazoan-dalana hampiasa ny kianja mitafon’i Mahamasina amin’ny fanompoam-pivavahana karakarain’ny AV7 eny an-toerana anio 07 febroary 2014. Tsy tafiditra ao anatin’izany kosa ny diabe kasain’izy ireo hihazo an’Ambohitsorohitra.
Miantso ireo governemanta afrikanina mba hanokana ny 10%n’ny tetibolan’izy ireo ho an’ny sehatry ny fambolena ny fikambanana «The One campaign» ao anatin’ny tatitra sy fanentanana vaovao mitondra ny lohateny hoe «Do Agric». Ny eto Madagasikara anefa dia latsaky ny 3% io tetibolam-panjakana io ho an’ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny sehatry ny ala nanomboka ny taona 2010.
Maniry mba ho teknisianina no hipetraka eo amin’ny toeran’ny minisitry ny Fizahantany ireo mpandraharaha eo amin’ity sehatra ity. Manana tanjona ny hisarika mpizahatany hatrany amin’ny 4 hetsy moa izy ireo ao anatin’ny 18 volana.
Manodidina ny 1 miliara dolara ny fitambaran’ireo famatsiam-bola efa vonona sy voaangona avy amin’ireo mpamatsy vola, hoy ny Tale mpiandraikitra ny Banky iraisam-pirenena. Ireo famatsiam-bola ireo dia hisahana ireo tetikasa maika toy ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fambolena ary ny lalana.
Nanamarika ny Alliance Voahary Gasy fa mbola nisy indray ireo fanondranana andramena niainga tao amin’ireo seranantsambo 6 ao amin’ny faritra Analanjirofo dia Tanjona, Manambolosy, Mananara Avaratra, Rantabe, Anila ary Sahamanjono.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.