Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 06 Febroary 2014


Nanapa-kevitra ny hitarika ny ady amin’ny trafikana andramena ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery. Nisy ny fivoriana manokana notarihiny teny amin’ny Lapan’i Iavoloha omaly, ka namoriany ireo voakasika amin’ity resaka ity.

 

Nanamafy ny minisitry ny fitantanam-bola Rasoloelison Lantoniaina fa andrasana eto amintsika amin’ity fiandohan’ny volana febroary ity ny iraka teknika avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena hampiainga ny fiaraha-miasa nihantona noho ny krizy.

 

 

Mahatsapa ny lesoka tamin’ny fahalaniana ho filoham-pirenena Atoa Rajaonarimampianina Hery ka mifofotra mafy amin’ny fisokafana, hoy ny mpandinika ara-politika Ralison Andriamandranto raha nitafa tao amin’ny RFI. Manaporofo izany ireo fepetra voalohany noraisiny manokana manalavitra an’i Andry Rajoelina, hoy ny fanazavany.

 

 

Mibosesika eny amin’ny foiben-toeran’ny HVM Antanimena isan’andro ireo mpanao politika mpijapy lamasinina sy ireo azo lazaina ihany koa fa tsy niaraka taminy tamin’ny fihodinana faharoa. Manantena ny mba hahazo toerana amin’ny fitondrana vaovao mantsy izy ireo.

 

 

Hanome voninahitra ny fahatsiarovana ny 7 febroary 2009 ny zoma izao ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina. Hisy ny fiaraha-mivavaka ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina mialoha ny diabe hihazo an’Ambohitsorohitra hametraka fehezam-boninkazo amin’ny tsangambato fahatsiarovana ireo namoy ny ainy teny an-toerana tamin’io 7 febroary io.

 

 

Manontany ny mahamety ny fikarakarana ny diabe ho eny Ambohitsorohitra i Fetison Rakoto Andrianirina. Aminy dia karazana sakana amin’ny ezaka famerenana an’i Madagasikara ho amin’ny tany tan-dalàna sy ny fanarenana ny toekarena ny fihetsika tahaka izany.

 

Nanomboka tamin’ny aprily 2009 no nahazo fanampiana ara-bola tamin’ny fiadidiana ny tetezamita ireo naratra sy fianakavian’ny maty tamin’ny 7 febroary. 200.000Ar isam-bolana isan’olona no azon’izy ireo. Mbola nahazo izy ireo hatramin’ny volana desambra, hoy i Boana Jean pierre anisan’ny mpitarika.

 

Mampitaraina ny mponina eto an-drenivohitra ny fahasimban’ny lalana saika manerana ny boriborintany. Rehefa avy ny orna dia maro ny fiara tafahitsoka noho ny lavaka. Ny tena mampikolahy dia eny Besarety, Rasalama, Soanierana ... Anisan’ny mahatonga ny fitohanana anefa izy ireny.

 

 

Lehilahy iray no tratra namono alika teny Ambohibao omaly alarobia antoandro. Efa voavoliny ny vatany no nisy nahatsikaritra ka niantsoany fokonolona. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia efa fanaony io ary varotany mitety tanàna ka ambarany fa henan-kisoa. Raha nanontaniana kosa ilay rangahy dia nolazainy fa hataony sakafo. 

 

 

Ramano F sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT