Tsy manam-bola hividianana fiarabe 30 ho fanangonana ireo fako mitoby amin’ny dabam-pako 337 isan’andro ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Vola 10.000 Ariary isan’olona isan-taona no eo am-pelatanan’ny CUA ho fanatontosana ny andraikiny eo anivon’ny fiarahamonina, hoy ny PDS lefitra Rasamimanana Olga.
Anisan’ireo firenena nahazo ny loka fankasitrahana «African Leaders Malaria Alliance» na ALMA 2014 izay hetsika famongorana ny tazomoka taona 2014 i Madagasikara. Nisongadina io nandritra ny fivoriana an-tampony faha-22 notanterahana farany teo, tany Addis-Abeba.
Nidina hatrany amin’ny 22% ny isan’ireo mpizahantany ny taona 2013 mihoatra amin’ny 2012. Trano fandraisam-bahiny 149 vaovao kosa no niorina tamin’iny taona nivalona iny ahitana efitra 1.005 ary namorona asa vaovao 1.046.
Efa am-perinasa eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny borigady manokana ahitana alika mpitily ireo fipoahana misy karazany fito fahita matetika. Efa mipetraka ihany koa ireo fitaovana fitiliana «rayon X» vaovao eny an-toerana.
Maherin’ny 40%-n’ireo vokatra anatiny mihodina eto Madagasikara no mivangongo eto an-drenivohitra. Ny 80% maherin’ny fiara hita eto Madagasikara kosa no mandalo eto Antananarivo.
Rehefa hividy fanafody etsy amin’ny HJRA dia tsy maintsy tafiditra ao ny “gant” tanana izay sandaina 400Ar. Misy anefa tsy ampiasaina akory izy ireny. Ny manao fitiliana scanner koa ao an-toerana dia 20.000Ar. Tsy aseho ny mpanjifa anefa ny faktiora raha tsy vita.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.