Tonga any Mahajanga ny sabotsy 01 febroary teo, handray ny toerana maha filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga azy Atoa Rabesa Zafera Antoine. Ny zoma talohan’io dia nanao fanambarana ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa manda ny famerenana azy amin’io andraikitra io, noho ny ratra sy ain’ny mpianatra nafoy vokatry ny fifandonana tamin’ny 10 janoary 2014.
Hisy fandraisana mpandraharahan’ny fonja miisa 370 hanampy ireo am-perinasa. Mpiasa 1 300 eo no misahana voafonja 21 000 mahery ankehitriny, raha toa ka voafonja folo no tokony hosahanin’ny mpandraharahan’ny fonja iray, araka ny fenitra.
I Madagasikara no hany firenena nanao sonia ny dinan’ny RAMSAR manana faritra mando tantanin’ny olon-tsotra toy etsy Tsarasaotra Antananarivo. Ankalazaina isaky ny 02 febroary isan-taona ny faritra mando, sady fonenan’ny voron-drano.
Miakatra be ny rano eny Anosipatrana ankehitriny. Ho an’ireo monina amoron-tanimbary dia efa fefika ny tokotany. Efa misy tafiditra an-trano mihitsy aza. Roa taona izay, raha vao mijojo matetika ny orana dia mitranga ny fiakaran’ny rano. Ny antony dia noho ny fananganana trano nataon’olona amin’ny lakandrano.
Tapaka ny ranon’ny jirama tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra omaly. Anisan’izany ny teny Anosipatrana sy Anosibe. Nanomboka tamin’ny 9ora maraina, hatramin’ny 7ora hariva tsy mbola niverina. Voatery tamin’ny vovon-drano no naka rano ny ankamaroan’ny olona. 50Ar ny eran’ny bidon 20 litatra no hividianan’ny mpanjifa azy. Matetika anefa izy ireny tsy azo sotroina raha tsy ampangotrahina.
Nangonin’ i JD sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.