Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 01 Febroary 2014


Rendrika ny botry mandeha motera sady misy lay, mampitohy an’i Morondava amin’ny Kaominina Belo sur Mer ny alakamisy tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Sady nitondra entana sy mpandeha io botry io tamin’ny fotoana naharendrehany. Olona mianaka no maty tamin’izany, efa hita ny nofo mangatsiakan’ilay ramatoa, fa hatramin’ny omaly tsy mbola hita ilay zaza.

Tokantrano maromaro no nasesin’ny andian-jiolahy novakiana ny alin’ny alakamisy hifoha ny omaly zoma teny Behoririka-Ambatomitsangana. Anisan’ny lasibatra ny toeram-pivarotana trondro, ka ny entam-barotra mihitsy no noraofin’ireo jiolahy. Efa nisy ny tratra. Manararaotra ny tsy fisian’ny jiro ireo jiolahy araka ny fanamarihan’ny mponina eny an-toerana.

Vonona hiaraka hiasa amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny solombavambahoaka avy amin’ny tsy miankina, hoy i Siteny Andrianasoloniaiko, anisan’ny voafidy tao Toliara I araka ny vokatra  vonjimaika navoakan’ny CENI-T.

Efa laharana 0490 sahady izao ny TBC. Tamin’ny tapatapaky ny volana janoary tamin’ny taon-dasa anefa no nanomboka ny TBA. Tao anatin’ny herintaona dia lany ny TBA sy TBB. Araka ny filazan’ny tomponandraikitra dia mahatratra 30-40 isan’andro ny fangatahana ataon’ny mpanjifa. Ny fiara efa niasa nohafarana avy any ivelany sy ny moto no tena maro amin’izy ireny.

Mitaraina ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ankehitriny. Mihena hatrany amin’ny 80% mantsy ny mpandeha ankehitriny. Tsy azo ampitomboina anefa ny saran-dalana. Andro maromaro vao mahafeno mpandeha ny fiara iray. Miditra fatiantoka, araka izany, ny tompon’ny fiara.

Nilaza Rtoa Razanamahasoa Christine raha nivahiny tao amin’ny Tvplus omaly fa raha vao fantatra ofisialy ny depiote amin’ny zoma izao dia hofidin’izy ireo avy hatrany ny prainisitra ny andron’io ihany. Manilika tanteraka ny ankolafy Ravalomanana ho ao anatn’ny governemanta koa ny tenany.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT