Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 31 Janoary 2014


Na nisondrotrotra aza ny vidin-tsolika dia tsy hisy ny fiakaran’ny saram-pitaterana, hoy ny fivondronan’ireo kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe. Nanamarika kosa anefa izy ireo fa hiakatra ny saram-pitaterana raha vao mihoatra ny 3.000 Ariary ny vidin’ny gazoala eny amin’ny tobim-pivarotan-dasantsy.

 

Mikendry mpizahatany hatrany amin’ny 4 hetsy ireo mpikirakira ny sehatry ny fizahantany amin’ity taona 2014 ity. Mitentina 3 hetsy “euros” kosa ny tetibola mandritra ny taona ho fampiroboroboana ity sehatra ity. Hisy haba 5% hampiarahana amin’ny tapakila miainga eto Madagasikara izay hihatra aorian’ny fankatoavan’ny governemanta vaovao, hoy ny filohan’ny ONTM.

 

Vitan’ny orinasa Jirama ny nampihena ho 45% ny fahatapahan’ny herinaratra manerana ny Nosy ankehitriny raha nahatratra 60% izany teo aloha, hoy ny minisitry ny angovo Razafindroriaka Nestor. Mieritreritra ny hampiakatra ny renivola hampiasaina ao aminy ny Jirama ary hitrandraka manokana ny angovo azo havaozina ho fampihenana ny fatiantoka.

 

Ny zoma 7 febroary 2014 ho avy izao no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana.

 

Mila mamboly hazo iray isan-taona ny zaza Malagasy, hoy ny filoha Rajaonarimampianina izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa fambolen-kazo.

 

Ilaina ny fahafantarana ny zava-misy sy ny fampihatoana vonjimaika ny fitrandrahana ala mba ho fanajana ny tontolo maitso sy ho fiarovana ny harena voajanahary malagasy, hoy ny filoha Rajaonarimampianina Hery.

 

Ny 10 febroary 2014 ho avy izao no handoavana ireo tambin-karaman’ireo mpampianatra FRAM avy eto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT