Nanohitra ny didim-pitsarana nivoaka hamonjana vonjimaika ireo miaramila 7 eny Tsiafahy voarohirohy amin’ny raharaha faheverezan’ireo bala teny amin’ny BANI Ivato ny lehiben’ny vondron’ny RFI. Nisy fifanarahana teo amin’ity tompon’andraikitra miaramila ambony ity ny hitazonana azy ireo any amin’ny toby RFI saingy tsy maintsy nalefa eny Antanimora daholo izy rehetra, araka ny tapaka farany.
Mpiasa vavy iray, bevohoka fito volana, mpiasan’ny RNM/TVM ao Soanierana Ivongo no voadaroka sady nofatoran’ny jiolahy tongotra aman-tanana ny alin’ny talata 28 janoary teo. Very tamin’izany ireo fitaovan’ity sampan’ny haino aman-jerim-panjakana ity. Voatery nalefa notsaboina ao Fenoarivo Atsinanana kosa ilay mpiasa.
Afaka efa-bolana no hiverina eto Madagasikara indray ny sambo miaramila italianina. Nisongadina tamin’ny fandalovany tao Antsiranana niara-nanao fanazaran-tena an-dranomasina niaraka tamin’ny miaramila malagasy ny 17 hatramin’ny 23 janoary 2014 lasa teo ny hetsika fitsaboana maso sy ny ativava.
Nidina 18% ny fahatongavan’ireo mpizahatany avy atsy amin’ny nosy La Réunion ho an’ny Ofisim-paritra mikirakira ny fizahantany DIANA ny taona 2013. Laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara amin’ny ankapobeny amin’ity taona 2014 ity kosa ny hamerina amin’ny laoniny ny tsenan’ny fizahantany.
Tena ratsy ny sehatry ny famokaram-bary tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Nanambara ny lehiben’ity Faritra ity fa ny ampahefatry ny vinavinam-bokatra ihany no tratra. Nanodidina ny 1.000 taonina teo ny fatiantoka noho ny faharatsian’ny toetr’andro, araka ny fanampim-panazavany.
Tsy mbola nahazo ny valin-kasasarany volana janoary hatramin’izao ireo mpandraharaha eny Ankatso. Ny mpiasam-panjakana amin’ny ankapobeny anefa efa saika tapitra nahazo ny anjarany. Velon-taraina, araka izany, izy ireo. Matetika raha tsy tairina amin’ny alalan’ny fitokonana ny tomponandraikitra tsy mamoaka ny vola.
Velon-taraina ny mpanjifa ny Jirama any amin’ny distrikan’iBekily tampon-tanàna amin’izao fotoana. Misy fokontany tsy maty mihitsy ny jiro, ny an’ny hafa anefa ora dimy na mahery vao miverina. Mimenomenona ireo orinasa mampiasa jiro. Rehefa itarainana ireo tomponandraikitra dia ny fahasimban’ny gropy ny valiny azo. Mitady ho adim-bahoaka sy jirama no hitranga raha mitohy, hoy ny any an-toerana. Ankoatra izay dia mafotaka ny famonoana moka iarahana amin’ny PID.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.