Ny fahatongavan’i Robinson Jean Louis tamin’ny fametrahana ofisialy ny filoha Rajaonarimampianina Hery dia mitory ny fahavononan’ny roa tonta hanaja ireo teny nomeny hampisy ny fitoniana ara-politika sy sosialy, hoy ny Asrevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon. Nanamafy ny tenany fa nampihaona azy mirahalahy ireo ny alakamisy 23 janoary 2014.
Miantso ireo mpanao politika, mpikambana ao anatin’ny antoko na vondrona politika mijoro ara-dalàna i dokotera Robinson Jean Louis hanatevin-daharana ny komity nasionaly mpandrindra ny fanoherana ara-dalàna na CNCOL. Tanjon’ny CNCOL ny fampodiana ireo sesitany politika sy ny famotsorana ireo gadra politika miisa 23.
Efa bankiropotra na an-dalana ho amin’izany i Madagasikara, hoy i Haleh Bridi, tale miandraikitra ireo raharahan’ny Banky Iraisam-pirenena aty Kaomoro, Madagasikara, Maorisy ary Seychelles. Nanambara ity tompon’andraikitra ity ny fiverenan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Malagasy miaraka amin’ny fanampiana mivantana raha haingana ny fijoroan’ny governemanta ary tsy misy olana.
Ireo nahazo famotsoran-keloka nandritra ny fitondrana tetezamita no ahian’ny jeneraly Ravalomanana Richard voalohany amin’ny zava-misy ankehitriny. Efa fantatra sy nosamborina ireny mpanamboatra baomba vita tanana ireny saingy novotsorana. Mbola mitoetra ao anatin’ireny olona ireny ny fisainana tsy maty manota, hoy ny fanazavany.
Tapitra ny fe-potoana azo hitazonana ireo fiara eny amin’ny fadintseranana tsy mataho-dalana miisa 350 tokony ho nampiasain’ny kandida Camille Vital tamin’ny fampielezan-kevitra. Voalazan’ny lalàna ny firosoana amin’ny varotra ampahibemaso saingy tsy mbola nisy izany hatramin’izao.
Nahazo Kaomisaria vaovao ny Distrikan’Avaradrano izay hita eny amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana. Tafiditra ao anatin’ny paikady “Polisy manatona ny vahoaka” ny fametrahana itony fotodrafitrasa itony, hoy ny minisitry ny Filaminana anatiny.
Hanao fanambarana ho an’ny mponina eto an-drenivohitra mikasika ireo vina amin’ity taona ity ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra rahampitso alakamisy.
Miandrandra ny hanatanterahan’ny filoha ny teniny farany izay haingana ireo ray aman-dreny mampiana-janaka amin’ny sekolim-panjakana. Fantatra fa mahatratra 15.000Ar ny sara aloa amin’ny mpianatra iray. Misy aza 27.000Ar, arakaraka ny sekoly sy ny latsakemboka ataon’ny FRAM.
Mbola ny sarin’i Andry Rajoelina no tazana mipetraka amin’ny ankamaroan’ny tranom-panjakana amin’izao fotoana. Manomboka any amin’ny fokontany ka hatramin’ny minisitera. Amin’ity herinandro ity vao halefa manerana ny faritra ny sarin’ny filoha Rakotoarimanana Martial.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.